lirikku.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #
.

Lirik Lagu Black jack's - Tsy Haiko


By: Admin | Artist: B black jacks | Published: 2024-05-07T19:56:53:00+07:00
Lirik Lagu Black jack's - Tsy HaikoLirikku.ID - Lirik Lagu Black jack's - Tsy Haiko: Halo Lirikku.ID, Dalam konten ini, kami menyediakan chord gitar untuk lagu "Lirik Lagu Black jack's - Tsy Haiko" yang dinyanyikan oleh Toton B black jacks. Dengan chord yang disajikan, pemula atau penggemar musik dapat dengan mudah memainkan lagu ini dengan gitar mereka sendiri. Kami menyajikan chord dengan akurasi tinggi sehingga pemain dapat mengikuti alunan musiknya dengan baik. Juga, kami akan memberikan informasi tambahan mengenai lirik lagu dan mungkin beberapa tips untuk menyempurnakan permainan gitar. Konten ini cocok untuk penggemar musik yang ingin belajar lagu baru atau bagi mereka yang ingin menikmati kesenangan bermain musik dengan gitar. Silahkan disimak Lirik Lagu Black jack's - Tsy Haiko Berikut Dibawah ini untuk Selanjutnya.

.1-asa ianao raha ohatra ahy

fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko ho zakaina irery

tsy haiko, ianao raha ohatra ahy

fa ny hasambarakeliko eto an-tany, dia koloiko tsy ho verivery

tsy ilaina akory angamba ho aho, ny mitantara lava izay manjo

mety ho maizina ny tany fa atrakao ny loha

mety ho ratsy ny androany fa rahampitso ho soa

satria efa fa voasoaratra fa samy mba mizàka ny hazo fijaliany

samy manana kapoaka kely mb’hisotroany ny rano tsy tiany

.2-asa ianao raha hino ahy

fa maro ireo mizaka fahoriana folo avo heny noho ianao

tsy haiko, ianao raha hino ahy

kanefa tsy misoka-bava kely akory izy ireo na mitalaho

ezahiny tsy hisoritr’eny an-tavany eny kely akory ny hakiviana

vao mainkavolamena ho azy ny mangina, mainka herena ho azy koa ny fihafiana

na dia fadiranovana aza izy ireo, tsy hitakiky aminao tsy handady

fa raha mbola misy fofon’aina mb’hijoroany dia aleony mitady

.3-asa ianao raha homba ahy

fa aleo mizaka- tena dieny izao , sao dia ny aoriana no tsy zàka

tsy haiko, ianao raha homba ahy

fa mafy koa raha mafy, raha ny havana hilampiana no indreo mandàtsa

ilay ambom-po anananao tsy nohindramin’iny

na nataonao trosa

ny maha-ianao anao, io no ataovy miavosa

kanefa na dia izany aza adinonao kosa

milohaloha lanitra ny tena ka tsarovy f’indray andro any

mbola mety mba ho lena sy ho potraka koa, raha mandia ny tany

.4-………..musique…………..

tsarovy ao an-tsaina anie

fa ny havana raha tiana sy lalaina tsy azo iaraha-monina ela be

mazàna ireo “kabary-tsy-valina” izay ataony mba mandratra fo

hitroatra ve ny tena, mba ho aiza moa?

hitady izay hierena , toa, very zo!

tsy aleo niaina tsisy romoromo tamy rambomanga kely sy patsa

toy izay any amin’ny havana hanim-pitoloha, fa arahin-datsa


Saksikan Video Lirik Lagu Black jack's - Tsy Haiko Berikut ini..


Lirik lagu lainnya: